Ecclesiastes 7:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, izany no hitako, hoy i Mpitoriteny, rehefa nandinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitako izay antony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no hitako, hoy ny Mpitory teny, tamin’ny andinihana ny zavatra tsirairay, hahitana ny antony, fa tsy tapaka mikatsaka izany ny fanahiko, nefa tsy hitako, dia izao: Nahita lehilahy iray tamin’ny arivo aho, nefa tsy nahita vehivavy iray tamin’izany isa izany ihany kosa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nodinihiko tsirairay ny zava-drehetra mba hahitako ny dikany, nefa ela nikarohana tsy nahita valiny aho. Izao no hitako, hoy i Kôheleta: Lehilahy iray ao anatin’ny arivo no mendrika io anarana io; nefa amin’ny vehivavy maro dia tsy nisy hitako mendri-panajana na dia iray aza.
Malagasy Bible 1865
Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, izany no hitako, hoy i Mpitoriteny, rehefa nandinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitako izay antony.
malagasy
Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.