Ecclesiastes 8:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina; nandeha ny olona, ary niala avy teo amin’ny fitoerana masina ka hadino tao an-tanàna ny asa ratsy nataon’ireo. Izany koa dia zava-poana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitako fahizany, fa ny ratsy fanahy mahazo levenana, sy tafiditra ny fitsaharany, fa ny olona manao ny marina kosa, miala lavitra ny fitoerana masina, ary hadinoina ao an-tanàna. Zava-poana koa izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitako ny nandevenana olon-dratsy. Ireo olona ireo dia mpandeha ao an- Toeramasina; kanefa nohadinoina tao Jerosalema ny fitondrantenany. Zava-poana koa izany.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina; nandeha ny olona, ary niala avy teo amin’ny fitoerana masina ka hadino tao an-tanàna ny asa ratsy nataon’ireo. Izany koa dia zava-poana.
malagasy
Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.[Na: ary tafiditra izy ka niala tamin'ny fitoeran'ny masina, ary nohadinoin'ny tao an-tanàna izay efa nanaovany izany]