Ecclesiastes 8:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao koa no zava-poana izay atao etỳ ambonin’ny tany: Misy olo-marina iharan-javatra izay tokony ho anjaran’ny ratsy fanahy; ary misy ratsy fanahy mahazo izay tokony ho anjaran’ny marina. Hoy aho: Izany koa dia zava-poana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao koa no zava-poana miseho atỳ ambonin’ny tany: Misy olo-marina iharan’ izay mendrika ny asan’ny ratsy fanahy; ary misy olon-dratsy iharan’izay mendrika ny asan’ny tsara fanahy. Ka hoy aho: zava-poana koa izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao koa no zava-poana mitranga eto ambonin’ny tany: misy olo-marina iharan’izay tokony ho mendrika ny ataon’olon-dratsy; ary misy olon-dratsy mahazo izay tokony ho mendrika ny ataon’olo-marina. Ka efa voalazako fa zava-poana koa izany.
Malagasy Bible 1865
Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan'izay tokony ho valin'ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin'ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao koa no zava-poana izay atao etỳ ambonin’ny tany: Misy olo-marina iharan-javatra izay tokony ho anjaran’ny ratsy fanahy; ary misy ratsy fanahy mahazo izay tokony ho anjaran’ny marina. Hoy aho: Izany koa dia zava-poana.
malagasy