Ecclesiastes 8:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noderaiko ny fifaliana satria tsy misy mahasoa ny olona etỳ ambanin’ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo ka izany no hanara-dia azy amin’ny fisasarany mandritra ny andro hiainany izay nomen’Andriamanitra azy etỳ ambanin’ny masoandro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa midera ny fifaliana aho, satria tsy misy hasambarana ho an’ny olona atỳ ambany masoandro, afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly; ary izany no tokony homba azy amin’ny asany, mandritra ny andro omen’Andriamanitra hiainany, atỳ ambany masoandro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ny amiko, dia deraiko ny fifaliana, satria ny hany fahasambaran’ny olona eto ambonin’ny tany dia ny mihinana sy misotro ary miravoravo. Izany no tokony hanaraka ny asany mandritra ny andro omen’Andriamanitra hiainany etỳ ambonin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin'ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin'ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen'Andriamanitra azy atỳ ambanin'ny masoandro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noderaiko ny fifaliana satria tsy misy mahasoa ny olona etỳ ambanin’ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo ka izany no hanara-dia azy amin’ny fisasarany mandritra ny andro hiainany izay nomen’Andriamanitra azy etỳ ambanin’ny masoandro.
malagasy