Ecclesiastes 8:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nampiasaiko ny saiko hahalala fahendrena sy hahita ny asa atao etỳ ambonin’ny tany, satria misy tsy mahita torimaso na andro na alina,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nentiko hamantatra ny fahendrena ny saiko, sy handinika ny anjara asa, atao atỳ ambonin’ny tany, - fa na andro na alina tsy mahita tory ny mason’ny olona - dia hitako ny asan’Andriamanitra manontolo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy niroa fo aho hahalala ny fomba mampahendry ary hitako ireo asa ataon’ny olona etỳ ambonin’ny tany. Tsapako fa na dia misy tsy matory andro tsy matory alina aza ny olona, dia tsy hahatakatra ny fomba fiasan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny zava-mitranga eto ambonin’ny tany. Ho reraka hitady ny olona fa tsy hahatakatra; ary na dia milaza ho mahafantatra aza ny olon-kendry, dia tsy hahatakatra izany akory.
Malagasy Bible 1865
Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin'ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nampiasaiko ny saiko hahalala fahendrena sy hahita ny asa atao etỳ ambonin’ny tany, satria misy tsy mahita torimaso na andro na alina,
malagasy
[Ny tsi-fahatakaran'ny saina ny fitondran'Andriamanitra, sy ny tokony hifaliana amin'izay soa hita ary hahazotoana amin'izay rehetra azo atao] Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin'ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.