Ecclesiastes 9:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izany rehetra izany dia nalatsako tato am-poko ka ireto rehetra ireto no zavatra hitako: Ny marina sy ny hendry mbamin’ny asany dia samy eo an-tanan’Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana na ho fankahalana dia samy tsy fantatry ny olombelona ny zavatra miandry azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasiako raharaha tokoa izao rehetra izao ary hitako tsara izao rehetra izao: Eo an-tanan’Andriamanitra ny marina sy ny hendry mbamin’ny asany rehetra; tsy misy fantatry ny olombelona na ny fitiavana na ny fankahalana; eo anoloany avokoa ny zavatra rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nandinika izany rehetra rehetra izany tato anatiko aho, dia nahatsapa fa ny marina sy ny hendry mbamin’ny asany dia eo an-tanan’Andriamanitra. Fa tsy fantatry ny olona akory na ny fitiavana na ny fankahalana. Tsy afaka ny haminavina izany izy.
Malagasy Bible 1865
Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia samy eo an-tànan'Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izany rehetra izany dia nalatsako tato am-poko ka ireto rehetra ireto no zavatra hitako: Ny marina sy ny hendry mbamin’ny asany dia samy eo an-tanan’Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana na ho fankahalana dia samy tsy fantatry ny olombelona ny zavatra miandry azy.
malagasy