Ecclesiastes 9:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’ny fitoeran’ny maty izay alehanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.
Malagasy Bible 1865
Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’ny fitoeran’ny maty* izay alehanao.
malagasy
Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.[Heb. Sheola]