Ecclesiastes 9:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako etỳ ambanin’ny masoandro indray fa tsy ho an’ny mahery mandeha ny hazakazaka, tsy ho an’ny mahery ny ady, tsy ho an’ny hendry ny hanina, tsy ho an’ny mazava saina ny harena ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahatratra azy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihodina aho, ary hitako atỳ ambany masoandro fa ny fihazakazahana tsy an’ny faingan-tongotra; na ny ady an’ny mahery fo na ny hanina an’ny hendry na ny harena an’ny mahalala na ny tombon-tsoa an’ny mahay fa samy voan’ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola nahita zavatra betsaka tetỳ ambonin’ny tany koa aho. Tsy ny faingam-pandeha hatrany no mandresy eo amin’ny fihazakazahana; ary tsy ny mahery fo hatrany no mandresy eo amin’ny ady. Tsy ny hendry no mora mahazo ny hanina hohaniny; ary tsy ny manan-tsaina no mora mahazo harena. Tsy ny olo-mahay no tsy maintsy homem-boninahitra, fa samy mpahazo ny rehetra na ny fanambinana na ny sampona.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako atỳ ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho an'ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny hendry ny hanina, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako etỳ ambanin’ny masoandro indray fa tsy ho an’ny mahery mandeha ny hazakazaka, tsy ho an’ny mahery ny ady, tsy ho an’ny hendry ny hanina, tsy ho an’ny mazava saina ny harena ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahatratra azy rehetra.
malagasy
[Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny hery] Ary hitako atỳ ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho an'ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny hendry ny hanina, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.