Ecclesiastes 9:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy fantatry ny olombelona ny fotoanany fa toy ny hazandrano azon’ny harato mandoza izy ary toy ny voronkely izay voan’ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’olombelona amin’ny andro mahory rehefa mahavoa azy tampoka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny fotoanany aza tsy fantatry ny olombelona; toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana, sy toy ny vorona voan’ny fandrika, tahaka azy ireo koa ny zanak’olombelona dia voafadiditra amin’ny androm-pahoriana, raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy misy olona mahafantatra ny fotoana hiavian’ny loza. Fa toy ny trondro azon’ny harato, ary tahaka ny voron-kely voam-pandrika no hahitany loza mahavoa azy tampotampoka.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon'ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan'ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak'olombelona amin'ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy fantatry ny olombelona ny fotoanany fa toy ny hazandrano azon’ny harato mandoza izy ary toy ny voronkely izay voan’ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’olombelona amin’ny andro mahory rehefa mahavoa azy tampoka izany.
malagasy