Ecclesiastes 9:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lehilahy iray tao, izay mahantra nefa hendry, ary izy no nahavonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny, nefa tsy nisy olona mba nahatsiaro izany lehilahy mahantra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nisy mahantra sy hendry kosa tao, ka namonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny. Ary tsy mba nisy nahatsiaro an-dralehilahy mahantra akory ny olona
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy lehilahy iray mahantra nefa hendry tao, izay afaka nahavonjy ny tanàna noho ny fahendreny. Saingy tsy mba nisy olona nahatsiaro ilay olo-mahantra.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lehilahy iray tao, izay mahantra nefa hendry, ary izy no nahavonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny, nefa tsy nisy olona mba nahatsiaro izany lehilahy mahantra izany.
malagasy
Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.