Ecclesiastes 9:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tenin’ny hendry izay re ao amin’ny filaminana dia tsara noho ny antsoantso ataon’ny mpanapaka eo amin’ny olona adala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tenin’ny hendry tononina amim-piadanana dia henoina tsara, mihoatra noho ny fitreron’ny mpanapaka eo afovoan’ny adala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa aleo mihaino ny teny malefaky ny hendry toy izay ny teny mafy atao amin’ny adala.
Malagasy Bible 1865
Ny tenin'ny hendry izay re amin'ny mangingina dia mahery noho ny fitreron'izay mpanapaka adala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tenin’ny hendry izay re ao amin’ny filaminana dia tsara noho ny antsoantso ataon’ny mpanapaka eo amin’ny olona adala.
malagasy
[Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny fahendrena sy ny fahadalana, ary ny amin'ny fanaovan-tsoa sy ny fahazotoana ary ny fahamarinana] Ny tenin'ny hendry izay re amin'ny mangingina dia mahery noho ny fitreron'izay mpanapaka adala.Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.