Ecclesiastes 9:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manjo ny tsara fanahy sy ny madio ary ny maloto, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin’ny tsara fanahy sy ny amin’ny mpanota, ary ny amin’ny mianiana sy ny amin’izay tsy sahy hianiana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na inona na inona tsy misy avaka ny mahazo ny olombelona rehetra; sahala ny anjaran’ny marina sy ny ratsy, ny tsara sady madio, sy ny tsy madio, ny manao sorona sy ny tsy manao sorona; izay manjò ny olona tsara fanahy ihany no manjò ny mpanota koa; izay nianiana, tsy misy hafa amin’izay tsy sahy mianiana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tahaka izany avokoa ny olona rehetra. Mitovy avokoa ny manjo ny olo-marina sy ny olo-meloka, ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy; mitovy avokoa ny manjo ny olona madio ara-pivavahana sy izay tsy madio, ny olona manao sorona sy izay tsy manao sorona; mitovy avokoa ny manjo ny tsara fanahy sy ny mpanota ary koa ny olona manao fianianana amin’Andriamanitra sy izay tsy sahy manao izany.
Malagasy Bible 1865
Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin'ny tsara fanahy sy ny amin'ny mpanota, ary ny amin'ny mianiana sy ny amin'izay tsy sahy hianiana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manjo ny tsara fanahy sy ny madio ary ny maloto, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin’ny tsara fanahy sy ny amin’ny mpanota, ary ny amin’ny mianiana sy ny amin’izay tsy sahy hianiana.
malagasy