Ecclesiastes 9:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no zava-dratsy amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno faharatsiana ny fon’ny zanak’olombelona ka hadalana no ao am-pony amin’ny andro iainany; ary rehefa afaka izany dia ho any amin’ny maty izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zavatra ratsy anankiray amin’izay rehetra atao atỳ ambany masoandro dia ny itovian’ny olombelona rehetra anjara; ka noho izany dia feno hasomparana ny fon’ny zanak’olombelona. ary ao am-pony mandritra ny andro iainana, ny hadalana. Nony afaka izany, mankany amin’ny maty izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitovy avokoa ny manjo ny olona rehetra: io no loza amin’izay rehetra atao eto ambonin’ny tany. Feno faharatsiana ny fon’ny olona ka fahadalana no ao aminy mandritra ny fiainany; avy eo anefa dia ho any amin’ny maty no hiafarany.
Malagasy Bible 1865
Izao no fahoriana amin'izay rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin'ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny maty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no zava-dratsy amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno faharatsiana ny fon’ny zanak’olombelona ka hadalana no ao am-pony amin’ny andro iainany; ary rehefa afaka izany dia ho any amin’ny maty izy.
malagasy