Ephesians 1:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tao Aminy koa no nandraisantsika ny anjara lovantsika, dia isika izay notendrena mialoha araka ny fikasan’Izay mahefa ny zavatra rehetra, araka izay sitraky ny fony,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rehefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasàn’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tafaray amin’i Kristy izahay ka tonga anjara lovan’Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan’Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain’ny sitrapony.
Malagasy Bible 1865
ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tao Aminy koa no nandraisantsika ny anjara lovantsika, dia isika izay notendrena mialoha araka ny fikasan’Izay mahefa ny zavatra rehetra, araka izay sitraky ny fony,
malagasy
ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [ Na: no nandraisantsika ny lova]