Ephesians 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa asan’Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin’i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman’Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin’ny fiainantsika.
Malagasy Bible 1865
Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.
malagasy
Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.