Ephesians 2:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa tsarovy fa fahiny ianareo dia Jentilisa araka ny nofo ka nolazain’ny voaforan-tanana teo amin’ny nofo hoe tsy voafora.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsarovinareo Jentily araka ny nofo àry, dia ianareo antsoin’ny voaforan-tanana hoe tsy voafora,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo izay hafa firenena, – dia ianareo antsoin’ny Jiosy hoe «tsy voafora», fa izy ireo miantso ny tenany hoe «voafora» (ilazana famantarana ataon’ny olona amin’ny nofony) –, tsarovy izay nanjo anareo fahiny:
Malagasy Bible 1865
Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora -
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa tsarovy fa fahiny ianareo dia Jentilisa* araka ny nofo ka nolazain’ny voaforan-tanana teo amin’ny nofo hoe tsy voafora.
malagasy
[Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora -