Ephesians 2:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, tsy nanana an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Israely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
lavitra an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany; tsy mba navela ho anisan’ilay firenena Israely voafidin’Andriamanitra; tsy mba tao anatin’ireo fanekempihavanana izay niorina tamin’ny fampanantenàn’Andriamanitra; velona teto amin’izao tontolo izao ianareo, kanefa sady tsy nanan-kantenaina no tsy nanana an’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, tsy nanana an’i Kristy* ianareo tamin’izany andro izany, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Israely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.
malagasy
eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao;