Ephesians 2:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia voatendry ho amin’ny fahatezerana toy ny hafa koa isika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tsy misy hivoasana amin’izany koa no toetranay rehetra fony izahay nanaraka ny filàn’ny nofonay, sy niliba araka ny danin’ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izahay rehetra koa dia anisan’ireo olona ireo, fa nanao fitondrantena araka ny filàndratsin’ny maha olona mpanota izahay fahiny ka nanao izay danin’ny kibo sy saim-pantatra. Noho izany toetranay izany, dia natao hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra tahaka ny hafa koa izahay.
Malagasy Bible 1865
teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia voatendry ho amin’ny fahatezerana toy ny hafa koa isika.
malagasy