Ephesians 3:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, mba hitory ny haren’i Kristy tsy hita lany amin’ny Jentilisa
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kely noho izay bitika indrindra amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen’Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren’i Kristy tsy hita lany,
Malagasy Bible 1865
Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, mba hitory ny haren’i Kristy tsy hita lany amin’ny Jentilisa
malagasy
Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,