Ephesians 3:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sy hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany ny fitondran’Andriamanitra ny zavamiafina, dia ilay voafina hatramin’ny nahariana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra izay nanao ny zavatra rehetra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sy ny hanazava amin’ny olona rehetra ny filaharan’ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary ny hampahazava amin’ny olona rehetra ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra ny tsiambaratelony. Hatrizay hatrizay dia voaafina tao amin’Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra, izany tsiambaratelo izany;
Malagasy Bible 1865
ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;