Ephesians 4:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba tsy ho zaza intsony isika ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fitaka itondrany ho amin’ny fahadisoana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan’ny onja etsy sy eroa na hatolatolan’ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson’ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany.
Malagasy Bible 1865
mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba tsy ho zaza intsony isika ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fitaka itondrany ho amin’ny fahadisoana;
malagasy