Ephesians 4:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy no irindran’ny tena manontolo sy iraisany tsara, noho ny fifanohanan’ny isan-tonony, araka ny asan’izay rehetra momba azy amin’izay anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy no mahatonga ny tena manontolo hitambatra mafy sy ho voatanan’ny famavàny rehetra hiray; ka rehefa samy miasa araka ny tandrifiny avy ny zavatra anisan’ny tena, dia hitombo ny tena manontolo sady hoentanin’ny fitiavana.
Malagasy Bible 1865
Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy no irindran’ny tena manontolo sy iraisany tsara, noho ny fifanohanan’ny isan-tonony, araka ny asan’izay rehetra momba azy amin’izay anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana.
malagasy