Ephesians 4:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ianareo tsy ho mpanao an-dolompo, tsy ho vinitra, tsy ho mora tezitra, tsy ho avo vava, tsy hanevateva: esory lavitra anareo avokoa izany, miaraka amin’ny haratsiam-panahy isan-karazany.
Malagasy Bible 1865
Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;
malagasy
Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [ Gr. fangidiana]ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.