Ephesians 5:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza miombona amin’ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon’ireo olona ao anatin’ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr’ireny asa ireny;
Malagasy Bible 1865
Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany.
malagasy
Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.