Ephesians 5:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hasehony ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa tiany hamirapiratra ny Fiangonana hatolony ho Azy Kristy, ka tsy hisy pentimpentina na ketrona na zavatra toy izany, fa mba ho masina sady tsy hisy tsiny.
Malagasy Bible 1865
mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hasehony ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.
malagasy
mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [ Gr. hatolony] [ Gr. eklesia]