Ephesians 5:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa miantefa aminareo mivady rehetra koa izany: ka aoka samy ho tahaka ny itiavan’ny lehilahy ny tenany no hitiavany ny vadiny, ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.
Malagasy Bible 1865
Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
malagasy
Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. [ Gr. hatahotra]