Ephesians 6:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny toe-javatra rehetra dia tano ny finoana ho ampinga fa izany no hahazoanareo mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipìk’afo rehetra alefan’ilay ratsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipîka mirehitra rehetra alefan’ ilay Ratsy;
Malagasy Bible 1865
ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny toe-javatra rehetra dia tano ny finoana ho ampinga fa izany no hahazoanareo mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.
malagasy
ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.