Ephesians 6:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianareo mpanompo, ankatoavy amin’ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ny fahatsoran’ny fonareo, ny tomponareo araka ny nofo, tahaka ny fanekena an’i Kristy ihany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amim-pahatahorana sy fangovitana, ary amim-pahatsoram-po, toy ny anekena an’i Kristy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin-tahotra sy fanajana ary amin’ny fahatsorampo toy ny anekenareo an’i Kristy.
Malagasy Bible 1865
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianareo mpanompo, ankatoavy amin’ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ny fahatsoran’ny fonareo, ny tomponareo araka ny nofo, tahaka ny fanekena an’i Kristy* ihany,
malagasy
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,