Ephesians 6:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianareo tompo, manaova toy izany koa amin’ny mpanomponareo. Atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa any an-danitra ny Tompony sady Tomponareo koa; ary tsy mizaha tavan’olona Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo tompo koa, mba manaova toy izany amin’izy ireo, ka ajanòny ny fandrahonana, satria fantatrao fa tsy mba mizaha tavan’olona ilay Tompon’izy ireo sy ianareo, any an-danitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ianareo tompo, manaova toy izany koa amin’ny mpanomponareo, ka atsaharo ny fandrahonana; satria fantatrareo fa na ianareo, na ny mpanomponareo, dia samy an’ilay Tompo Izay monina ao an-danitra sady tsy mba mizaha tavan’olona.
Malagasy Bible 1865
Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianareo tompo, manaova toy izany koa amin’ny mpanomponareo. Atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa any an-danitra ny Tompony sady Tomponareo koa; ary tsy mizaha tavan’olona Izy.
malagasy
Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.