Esther 1:19 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha sitraky ny mpanjaka dia aoka hisy didim-panjakana avy amin’ny mpanjaka hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy Media ka tsy azo ovana: Tsy hahazo hankeo anatrehan’i Ahasoerosy mpanjaka intsony i Vasty ary ny voninahiny dia aoka homen’ny mpanjaka ho an’izay vehivavy hafa tsara noho izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy didy havoakanao hisakanana an’i Vastỳ tsy hiseho eo anatrehanao intsony ary hanomezana ny voninahitra maha mpanjakavavy ho ana vehivavy hafa mendrika izany kokoa noho izy; izany didy izany dia hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy i Media ka tsy ho azo ovàna.
Malagasy Bible 1865
Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin'ny mpanjaka ka hosoratana ao amin'ny lalàn'i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr'i Vasty dia aoka homen'ny mpanjaka ho an'izay vehivavy hafa tsara noho izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha sitraky ny mpanjaka dia aoka hisy didim-panjakana avy amin’ny mpanjaka hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy Media ka tsy azo ovana: Tsy hahazo hankeo anatrehan’i Ahasoerosy mpanjaka intsony i Vasty ary ny voninahiny dia aoka homen’ny mpanjaka ho an’izay vehivavy hafa tsara noho izy.
malagasy