Esther 1:5 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tapitra izany andro izany dia nanaovan’ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo ankalamanjana tao amin’ny zaridainan’ny mpanjakany ny olona rehetra izay tany Sosana, tanàna mimanda, na lehibe na kely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nanaovan’ny amperôra fanasana teo amin’ny kianja ao anatin’ny zaridainan’ny lapa koa ireo olona rehetra izay tao Sosany renivohitra, na ny lehibe na ny kely; ka herinandro no naharetan’ny lanonana.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan'ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin'ny kianjan'ny tanimbolin'ny tranon'ny mpanjaka;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tapitra izany andro izany dia nanaovan’ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo ankalamanjana tao amin’ny zaridainan’ny mpanjakany ny olona rehetra izay tany Sosana, tanàna mimanda, na lehibe na kely.
malagasy