Esther 1:6 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lamba fotsy misoratsoratra sy manga nohazonin’ny kofehy rongony fotsy madinika sy volomparasy izay nandalo tamin’ny masom-bolafotsy teny amin’ny andry vato marbra fotsy. Nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin’ny lampivato vita amin’ny alabasitara, marbra fotsy, hara ary marbra mainty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy lamba temitra fotsy na maitso na manga, ka tady rongony fotsy sy volomparasy no nihantonany tamina masom-bolafotsy na tamina andry vatokaranana; nisy farafara volamena sy volafotsy nalahatra teo ambony lampivato alabasitra sy vatokaranana fotsy ary hara sy vatokaranana mainty.
Malagasy Bible 1865
ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin'ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin'ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lamba fotsy misoratsoratra sy manga nohazonin’ny kofehy rongony fotsy madinika sy volomparasy izay nandalo tamin’ny masom-bolafotsy teny amin’ny andry vato marbra fotsy. Nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin’ny lampivato vita amin’ny alabasitara, marbra fotsy, hara ary marbra mainty.
malagasy