Esther 2:12 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga ny fotoana hidiran’ny tovovavy tsirairay tany amin’i Ahasoerosy mpanjaka rehefa tapitra ny roa amby folo volana voatendrin’ny lalàna ho amin’ny fomba fiomanan’ny vehivavy ka tapitra tamin’izay ny fotoana hihaingoany: Enim-bolana tamin’ny diloilo nisy miora ary enim-bolana tamin’ny zavamanitra sy ny zavatra hafa fihaingoan’ny vehivavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandritra ny herintaona, ireto tovovavy ireto dia nanaraka ny fomba fikarakaran-tena sahaza ny vehivavy, ka enim-bolana notrorina menaka misy miora ary enim-bolana notrorina ilomanitra sy zavatra isan-karazany fampiasam-behivavy. Rehefa tapitra izany herintaona izany, dia mandeha tsirairay any amin’ny amperôra Kserksesa ireo tovovavy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga ny andro hidiran'ny zazavavy tsirairay isan'andro tany amin'i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin'ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin'izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin'ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin'ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan'ny vehivavy),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga ny fotoana hidiran’ny tovovavy tsirairay tany amin’i Ahasoerosy mpanjaka rehefa tapitra ny roa amby folo volana voatendrin’ny lalàna ho amin’ny fomba fiomanan’ny vehivavy ka tapitra tamin’izay ny fotoana hihaingoany: Enim-bolana tamin’ny diloilo nisy miora ary enim-bolana tamin’ny zavamanitra sy ny zavatra hafa fihaingoan’ny vehivavy.
malagasy