Esther 2:15 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga ny fotoana hidiran’i Estera ao amin’ny mpanjaka, dia i Estera, ilay zanakavavin’i Abihaila rahalahin-drain’i Mordekay izay nandray azy ho zanany vavy, dia tsy nila na inona na inona izy ankoatra izay notononin’i Hegay, tandapan’ny mpanjaka sady mpitandrina ny vehivavy. Ary nahita fitia teo imason’ny olona rehetra izay nijery azy i Estera.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro, dia anjaran’i Estera zanakavavin’i Abihaîla rahalahin-drain’i Môrdôkay sady zanaka natsangan’i Môrdôkay rahateo ny mandeha any amin’ny amperôra. Tsy nila na inona na inona razazavavy, afa-tsy izay natoron’i Hegay tandapa mpitandrina ny vehivavy; kanefa i Estera dia nahazo fitia teo imason’ny olona rehetra nahita azy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga ny anjara-andron'i Estera, zanakavavin'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon'ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin'i Hegay, tsindranolahin' ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason'ny olona rehetra izay nijery azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga ny fotoana hidiran’i Estera ao amin’ny mpanjaka, dia i Estera, ilay zanakavavin’i Abihaila rahalahin-drain’i Mordekay izay nandray azy ho zanany vavy, dia tsy nila na inona na inona izy ankoatra izay notononin’i Hegay, tandapan’ny mpanjaka sady mpitandrina ny vehivavy. Ary nahita fitia teo imason’ny olona rehetra izay nijery azy i Estera.
malagasy