Esther 2:9 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahafaly azy Razazavavy ka nahita fitia teo imasony. Nomeny haingana an-dRazazavavy ny zavatra rehetra nilainy ho fihaingoana sy ny anjara haniny ary mpanompovavy fito izay voafantina homena azy avy tao amin’ny tranon’ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin’ny toerana tsara indrindra ao amin’ny tranom-behivavy izy sy ny mpanompovaviny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahazo fanambinana teo anatrehan’i Hegay i Estera, satria nahafinaritra azy ny toetran-drazazavavy: nomeny faingana azy ny fitaovana hikarakarany tena sy ny anjara sakafony ary koa mpanompovavy fito izay voafantina manokana avy tao an-dapa; dia nafindrany ho ao amin’ny efitra tsara indrindra tao amin’ny tranom-behivavy izy sy ireo mpanompovaviny.
Malagasy Bible 1865
Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahafaly azy Razazavavy ka nahita fitia teo imasony. Nomeny haingana an-dRazazavavy ny zavatra rehetra nilainy ho fihaingoana sy ny anjara haniny ary mpanompovavy fito izay voafantina homena azy avy tao amin’ny tranon’ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin’ny toerana tsara indrindra ao amin’ny tranom-behivavy izy sy ny mpanompovaviny.
malagasy