Esther 3:13 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy taratasy maro nampitondrainy ny iraka haingam-pandeha ho any amin’ny fari-piadidiana rehetra ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka mba handringanana sy hamonoana ary handripahana ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin’ny zaza amam-behivavy aza, amin’ny indray andro monja, amin’ny andro fahatelo amby folo amin’ny volana faharoa amby folo, na ny volana Adara; ary horobaina avokoa ny fananany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy iraka nampitondraina ireo taratasy ireo ho any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana. Ny baiko raketiny dia ny handringanana sy hamonoana ho ripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin’ny zaza amam-behivavy aza, ary koa ny handrobana ny fananany. Anatin’ny indray andro monja no hanatanterahana izany fandripahana izany, dia ny andro faha-13 amin’ny volana faha-12 na volana Adara.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin'ny zaza amim-behivavy aza, amin'ny indray andro monja, dia tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy taratasy maro nampitondrainy ny iraka haingam-pandeha ho any amin’ny fari-piadidiana rehetra ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka mba handringanana sy hamonoana ary handripahana ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin’ny zaza amam-behivavy aza, amin’ny indray andro monja, amin’ny andro fahatelo amby folo amin’ny volana faharoa amby folo, na ny volana Adara*; ary horobaina avokoa ny fananany rehetra.
malagasy