Esther 3:2 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamana ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ny mpanjaka, fa izany no didin’ny mpanjaka. I Mordekay kosa dia tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpandraharaha rehetra tao an-dapa dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamàna, satria izany no didin’ny amperôra. Fa i Môrdôkay kosa tsy mba nety nanao izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamana ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ny mpanjaka, fa izany no didin’ny mpanjaka. I Mordekay kosa dia tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
malagasy