Esther 3:6 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy ampy an’i Hamana ny hanainga ny tanany hamely an’i Mordekay irery; satria efa nambara azy ny firenen’i Mordekay, koa dia nitady izay handringanana ny Jiosy rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy koa izy, dia ny Jiosy izay firenen’i Mordekay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampahafantarina azy rahateo fa Jiosy i Môrdôkay. Ary nataon’i Hamàna fa tsy ampy ny maninji-tanana hamely an’i Môrdôkay irery ihany, ka dia notadiaviny haringana koa ny Jiosy rehetra manerana ny fanjakan’i Kserksesa, satria mpiray firenena amin’i Môrdôkay ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary nataon'i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an'i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen'i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen'i Mordekay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy ampy an’i Hamana ny hanainga ny tanany hamely an’i Mordekay irery; satria efa nambara azy ny firenen’i Mordekay, koa dia nitady izay handringanana ny Jiosy rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy koa izy, dia ny Jiosy izay firenen’i Mordekay.
malagasy