Esther 3:8 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Hamana tamin’i Ahasoerosy mpanjaka: Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakanao; ny lalànan’izy ireo dia hafa noho ny an’ny firenena rehetra, ary tsy mba mankatò ny didin’ny mpanjaka izy ireo; tsy mendrika amin’ny mpanjaka ny hamela azy ireo amin’izao fotsiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Hamàna tamin’ny amperôra Kserksesa: –Ry andriamanjaka, misy firenena iray efa miely eny amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana; maningana io firenena io ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra sady tsy mba mankatò ny lalànanao. Tsy mahasoa anao ny mamela azy fotsiny amin’izao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn'ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin'ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Hamana tamin’i Ahasoerosy mpanjaka: Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakanao; ny lalànan’izy ireo dia hafa noho ny an’ny firenena rehetra, ary tsy mba mankatò ny didin’ny mpanjaka izy ireo; tsy mendrika amin’ny mpanjaka ny hamela azy ireo amin’izao fotsiny.
malagasy