Esther 4:11 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra sy ny olona rehetra manerana ireo fari-piadidian’ny mpanjaka dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny mpanjaka eo an-kianja anatiny na lehilahy na vehivavy nefa tsy nantsoina dia tokana ihany ny lalàna ho an’ny rehetra mba hahafaty azy afa-tsy izay hotondroin’ny mpanjaka amin’ny tehina volamena mba hahavelona azy. Izaho anefa dia tsy nantsoina hiditra ao amin’ny mpanjaka efa telopolo andro izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny olona rehetra, hatramin’ny mpanompon’ny amperôra sy sarambabem-bahoaka any amin’ny faritany aza, dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny amperôra ho eo an-kianja anatin’ny lapa, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no mihatra aminy; izay hotondroin’ny amperôra amin’ny tehim-bolamena ihany no ho velona. Izaho kosa efa telopolo andro izay no tsy nantsoina hankao amin’ny mpanjaka.»
Malagasy Bible 1865
Ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran'ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin'ny mpanjaka amin'ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin'ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra sy ny olona rehetra manerana ireo fari-piadidian’ny mpanjaka dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny mpanjaka eo an-kianja anatiny na lehilahy na vehivavy nefa tsy nantsoina dia tokana ihany ny lalàna ho an’ny rehetra mba hahafaty azy afa-tsy izay hotondroin’ny mpanjaka amin’ny tehina volamena mba hahavelona azy. Izaho anefa dia tsy nantsoina hiditra ao amin’ny mpanjaka efa telopolo andro izay.
malagasy