Esther 4:16 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehana ary ka vorio ny Jiosy rehetra izay hita eto Sosana. Mifadia hanina noho ny amiko ka aza mihinana na misotro mandritra ny hateloana na andro na alina. Izaho sy ny mpanompovaviko koa dia hifady toy izany ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka na dia tsy araka ny lalàna aza. Koa raha toa ka maty aho dia maty!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ndeha vorio àry ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin’ny amperôra aho, na dia tsy ara-dalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!»
Malagasy Bible 1865
Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehana ary ka vorio ny Jiosy rehetra izay hita eto Sosana. Mifadia hanina noho ny amiko ka aza mihinana na misotro mandritra ny hateloana na andro na alina. Izaho sy ny mpanompovaviko koa dia hifady toy izany ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka na dia tsy araka ny lalàna aza. Koa raha toa ka maty aho dia maty!
malagasy
Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.