Esther 4:5 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niantso an’i Hatàka, ionòkan’ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy i Estera ka nampitondra teny azy ho any amin’i Mordekay mba hahafantarany hoe inona ny zava-nitranga ary inona no anton’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nantsoin’i Estera i Hatàka, anisan’ireo tandapa tinendrin’ny amperôra hanompo azy; io Hatàka io no nalefan’ny mpanjakavavy ho any amin’i Môrdôkay mba hanontany azy ny zava-nitranga sy izay nahatonga azy hitafy gony.
Malagasy Bible 1865
Ary Estera niantso an'i Hatàka, tsindranolahin' ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin'i Mordekay, mba hahafantarany izay anton'izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niantso an’i Hatàka, ionòkan’ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy i Estera ka nampitondra teny azy ho any amin’i Mordekay mba hahafantarany hoe inona ny zava-nitranga ary inona no anton’izany.
malagasy