Esther 5:14 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Asaivo misy manangana hazo, koa dimampolo hakiho ny haavony; ary rahampitso maraina dia lazao amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Mordekay. Koa mandehana miaraka amin’ny mpanjaka amin’ny hafaliana ho any amin’ny fanasana ianao. Ary sitrak’i Hamana izany zavatra izany ka nampanangana ilay hazo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Zeresa vadin’i Hamàna sy ireo sakaizany rehetra taminy: –Aoka ianao hampanamboatra hazo fanantonana ka ho 25 metatra ny haavony; ary raha maraina dia angataho amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Môrdôkay. Avy eo dia mandehana amin-kafaliana ianao miaraka amin’ny amperôra ho any amin’ny fanasana. Ary sitrak’i Hamàna izany hevitra izany ka dia nampanamboariny tokoa ilay hazo.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin'ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin'ny mpanjaka amin'ny hafaliana ho any amin'ny fanasana ianao. Ary sitrak'i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Asaivo misy manangana hazo, koa dimampolo hakiho* ny haavony; ary rahampitso maraina dia lazao amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Mordekay. Koa mandehana miaraka amin’ny mpanjaka amin’ny hafaliana ho any amin’ny fanasana ianao. Ary sitrak’i Hamana izany zavatra izany ka nampanangana ilay hazo izy.
malagasy