Esther 5:9 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivoaka ny trano tamin’izany andro izany i Hamana sady faly sy ravoravo ny fony. Nefa rehefa nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka izy dia feno hatezerana taminy satria tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory i Mordekay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’io andro io i Hamàna dia nivoaka ny tranon’i Estera tamin-kafaliana sy haravoam-po. Saingy, teo am-bavahadin’ny lapa, rehefa hitan’i Hamàna fa tsy mba nitsangana na niraika teo anatrehany akory i Môrdôkay, dia feno fahatezerana taminy izy.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka tamin'izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an'i Mordekay teo am-bavahadin'ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivoaka ny trano tamin’izany andro izany i Hamana sady faly sy ravoravo ny fony. Nefa rehefa nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka izy dia feno hatezerana taminy satria tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory i Mordekay.
malagasy