Esther 6:13 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nolazain’i Hamana tamin’i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy i Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ny taranaky ny Jiosy i Mordekay izay efa nanomboka nandavo anao teo anatrehany dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa tsy maintsy ho lavo eo anatrehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitantaran’i Hamàna ny zavatra nanjo azy i Zeresa vadiny sy ny sakaizany rehetra mpanolotsaina azy ka niteny taminy hoe: –Raha taranaky ny Jiosy i Môrdôkay izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
Malagasy Bible 1865
Dia nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nolazain’i Hamana tamin’i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy i Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ny taranaky ny Jiosy* i Mordekay izay efa nanomboka nandavo anao teo anatrehany dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa tsy maintsy ho lavo eo anatrehany.
malagasy
Dia nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin' ny mpanjaka ka naka faingana an'i Hamana ho ny amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.[Heb. ionoka]