Esther 6:9 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tanan’izay ambony indrindra amin’ny mpitondra voatendrin’ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ny soavaly. Dia hoentina eo amin’ny kianjan’ny tanàna izy ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no atao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatolotra ny anankiray amin’ireo andriambaventy voatendrinao izany fanamiana sy soavaly izany; ary aoka izay lehilahy irinao homem-boninahitra hampiakanjoiny ny fanamianao sy hampitaingeniny amin’ny soavalinao. Dia io andriambaventy io ihany no hitondra azy eny an-kianjan’ny tanàna sady hiantso eo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!»
Malagasy Bible 1865
dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan'ny anankiray izay malaza indrindra amin'ny mpanapaka voatendrin'ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin'ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tanan’izay ambony indrindra amin’ny mpitondra voatendrin’ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ny soavaly. Dia hoentina eo amin’ny kianjan’ny tanàna izy ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no atao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!
malagasy