Esther 7:9 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Harbona, iray tamin’ireo ionòka izay teo anatrehan’ny mpanjaka dia nilaza hoe: Indro, mijoro eo akaikin’ny tranon’i Hamana rahateo ny hazo; io ilay hazo natsangany mba hanantonany an’i Mordekay, ilay niteny soa ho an’ny mpanjaka; dimampolo hakiho ny haavony. Dia hoy ny mpanjaka: Ahantòny amin’io izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Harbonà, anisan’ireo tandapa, dia nilaza tamin’ny amperôra hoe: –Ry andriamanjaka, i Hamàna dia efa nampanamboatra hazo hanantonany an’i Môrdôkay, ilay nanao tatitra hanasoavana anao. Indro miorina eo akaikin’ny tranon’i Hamàna io hazo io, ka 25 metatra ny haavony. Dia hoy ny amperôra hoe: –Ahantony amin’io i Hamàna!
Malagasy Bible 1865
Ary Harbona, tsindranolahy anankiray, izay teo anatrehan'ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon'i Hamana hanantonany an'i Mordekay, ilay niteny soa ho an'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin'io izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Harbona, iray tamin’ireo ionòka* izay teo anatrehan’ny mpanjaka dia nilaza hoe: Indro, mijoro eo akaikin’ny tranon’i Hamana rahateo ny hazo; io ilay hazo natsangany mba hanantonany an’i Mordekay, ilay niteny soa ho an’ny mpanjaka; dimampolo hakiho* ny haavony. Dia hoy ny mpanjaka: Ahantòny amin’io izy.
malagasy
Ary Harbona, tsindranolahy anankiray, izay teo anatrehan'ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon'i Hamana hanantonany an'i Mordekay, ilay niteny soa ho an'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin'io izy. [Heb. ionoka]Ary Hamana dia nahantony tamin'ilay hazo efa natsangany hanantonana an'i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran'ny mpanjaka.