Esther 8:11 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Jiosy izay tany amin’ny tanàna tsirairay dia navelan’ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herim-bahoaka rehetra sy ny fari-piadidiany rehetra izay te hiady aminy mbamin’ny vady aman-janak’ireny ary handroba ny fananany
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Voarakitry ny taratasy fa ny Jiosy isan-tanàna misy azy dia nomen’ny amperôra lalana hivory hiaro ny ainy. Navela koa ry zareo handringana sy hamono ho ripaka izay andian’olona mamely azy any amin’ny firenena sy faritany isan-tokony; azony atao aza ny mamono ny vady aman-janak’ireo sy ny mandroba ny fananany.
Malagasy Bible 1865
ka ny Jiosy izay teny amin'ny isan-tanàna dia navelan'ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin'ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin'ny vady aman-janak'ireny ary handroba ny fananany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Jiosy izay tany amin’ny tanàna tsirairay dia navelan’ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herim-bahoaka rehetra sy ny fari-piadidiany rehetra izay te hiady aminy mbamin’ny vady aman-janak’ireny ary handroba ny fananany
malagasy