Esther 8:14 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa ny iraka haingam-pandeha izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, nohafainganina sy nododonan’ny tenin’ny mpanjaka izy ireo. Ary novakina tany Sosana, tanàna mimanda, koa ny didy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny baikon’ny amperôra, dia nandeha faingana sy dodona ny iraka, nitaingina soavalim-panjakana haingam-pandeha avy amin’ny fiompian-tsoavalin’ny amperôra. Ary navoaka tao Sosany renivohitra koa izany didy manan-kery izany.
Malagasy Bible 1865
Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa ny iraka haingam-pandeha izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, nohafainganina sy nododonan’ny tenin’ny mpanjaka izy ireo. Ary novakina tany Sosana, tanàna mimanda, koa ny didy.
malagasy