Esther 8:15 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny nialan’i Mordekay teo anatrehan’ny mpanjaka dia nanao akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satroboninahitra volamena lehibe ary niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; dia faly sy ravo ny tanàna Sosana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony i Môrdôkay nivoaka ny lapa, dia akanjo lava vita rongony madinika miloko jaky no nanaovany, fanamiam-piandrianana fotsy sy volomparasy no nitafiany, ary satroboninahitra volamena lehibe no nisatrohany; koa faly sy ravo i Sosany iray vohitra.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny nialan’i Mordekay teo anatrehan’ny mpanjaka dia nanao akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satroboninahitra volamena lehibe ary niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; dia faly sy ravo ny tanàna Sosana.
malagasy